Tsy hery fa tahotra

 

Hivoaka amin’ny fahanginany ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, rahampitso. Hiresaka mahakasika ny fanapoizinana teny Ambohimalaza amin’ireo fitaovam-pifandraisana an’ny fanjakana ny tenany. Inona no ambarany? Inona ny zava-baovao, tsy hita eny amin’ny tambajotran-tserasera hifampizarany? Ho sahy hamoaka ny anaran’ireo mpitondra ambony, voantonontonona ve izy, raha misy tokoa izany?
Amin’ny maha raiamandreny azy, adidiny voalohany ny mivoy ny zava-misy marina. Izy rahateo nametraka anatin’ny fototra telon’ny vina voarakitra amin’ny Politika ankapoben’ny governemanta ilay atao hoe « mangaraharaha ». Mila mitandrina tanteraka amin’ny sera ampanaovina azy rahateo ny ekipa. Matetika tsy lavitra azy no mamahan-dalitra sy manafina ny vaovao tena izy.
Mandrora miantsilany anefa ireo olona mpitondra ambony sasany ireo. Arakaraka ny higiazana ny vaovao sy hilalaovana ny famoaham-baovao, handrebirebena ny saim-bahoaka, no mety handetika azy. Tsy misy marina izay tsy ipoitra. Na heverina ho tsy « feno-hasina » aza ny ain’ireo olona 31 nafoy dia loza mitatao ho an’ny manampahefana mihevi-tena tsy ho maty manonta.
Tsy hery fa tahotra rahateo ny an’ireo mpitondra ambony manodinkodin-dresaka io. Tahotra ny ho very seza anefa fa tsy tahotra sy fanajana ilay vahoaka, nampindrana ny fahefana ho azy ireo. Tahotra ny ho voasazin’ny lehibe ka aleo misotro ny aleoko maty, miaro ilay tovovavikely tsy ampy taona tamin’ny fotoana niarahana taminy. Tena hoe baikoin’ny fitiavan-tena sy fanimbana ny tanora malagasy.
Soa fa handray ny fepetra mifanaraka amin’izay zava-misy ny Filoham-pirenena. Heverina, araka izany, fa mba hisy ny tomponandraikitra hafa hipitika amin’ny toerana mba tsy hanaratsy endrika ny fitondrana amin’ny ankapobeny.

r.r

Partager sur: