“Génération 2000”: Mandalo eto an-tanindrazana i Joy K

Nantsoina manokana. Nitana ny teny nomena, ka tonga eto an-tanindrazana, hanatontosa ilay seho “Génération 2000” i Joy K. Hiray sehatra amin’ireo indray nihira aminy izy mandritra izany.

“Tena hoe hanenjika ity fampisehoana ity fotsiny aloha no handalovako amin’ity. Efa nampanantena aho tamin’ny taon-dasa fa hiezaka ny hiverina tsy ho ela”, hoy i Joy K, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Madagascar, omaly. Fanindroany izao no nahatongavany handray anjara amin’ny hetsika “Géné­ration 2000”, izay hotontosaina ny alahady 27 jolay izao ny andiany fahatelo, manomboka amin’ny 3 ora, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
“Toy ny nanaovana ireo hira taloha ihany no hamerenanay azy amin’io. Misy mihitsy ny hira vaovao, toy ilay nivoaka tamin’ny febroary teo, saingy amin’ity aloha dia ny famerenana ireo taloha no tena hatao”, hoy hatrany i Joy K.
Nanatrika ny fampahafantarana ihany koa i Mamie, mpikambana ao amin’ny tarika Imagine. “Fandraisana anjara faharoa ihany koa ny anay amin’ny Génération 2000. Safidinay mihitsy ilay tsy niakatra an-tsehatra elaela, fa ity kosa tena tianay ilay nitondran’ny mpikarakaraka ilay hetsika. Efa nanomana ela izahay, ka ireo hira taloha nahafantarana ny Imagine no alahatray ao”, hoy i Mamie. Nanamafy izany ihany koa i Lova Love, iray amin’ireo mpikambana ao amin’ny Tempo Gaigy. “Miverina mianatra ireo soradihy toy ny taloha izahay”, hoy izy nanipy sombiny kely.
“Efa misy lany sahady ireo karazana tapakila. Efa nanomboka sahady ny fanomanana ny sehatra ihany koa ny teknisianina mba hahatomombana ny hetsika”, hoy i Sylvanno Ratsimandresy, mpikarakara.

Zo ny Aina

Partager sur: