Taorian’ny seho maro notanterahina tany amin’ny Nosy La Réunion, hotanterahina eto Madagasikara ny filalaovana manontolo ilay teatra « La ferme ». Fampisehoana hiarahana amin’ny Compagnie Miangaly Théâtre, hotanterahina eny amin’ny Espace culturel Kolomahaolona, Ampitatafika, ny sabotsy 2 aogositra 2025, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
« La ferme » niarahan’i Bini Josoa sy Gad Bensalem (nahazo ny « Prix Théâtre RFI 2024 »), nanoratra. Tantara manambatra ny asa famoronana amin’ny maha zavakanto sy ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina. Anisan’ny mampiavaka azy ity ny fahaizan-dry zareo mamoaka ny tiany hampitaina amin’ny alalan’ireo teny sy fihetsika ampiasaina.
Tovovavy roa, kambana, miangaly ny fanatanjahantena ady totohondry. Tafiditra ao anatin’ny fanaovana politika, noho ny fampianarana nomen’ny rainy azy ireo. Mitolona, manantena zavatra tsara eo amin’ny fiainany na eo aza ny fahasarotan’ny tranga atrehiny. Hasehon’ny mpanoratra ao amin’ny tantara ny herin’ny teny sy ny hakantony. Tahaka izany ihany koa ireo hira malagasy miaraka aminy. I Fela Razafiarison no nandrindra ny sehatra. Milalao ny tantara kosa i Nathalie, Gad, Hoby, Tiana ary Fela.
Marihina fa anisan’ireo kaompania manome lanja lehibe ny fikarohana sy ny famoahana izany ny Compagnie Miangaly Théâtre.
HaRy Razafindrakoto




