Mafampana ny toe-draharaha eo amin’ny samy mpanakanto. Niitatra ny « Raharaha Omda », mahatonga fizarazaran-kevitra, taorian’ny fiantsoana fivoriambe izay hotontosaina rahampitso. Nanao fanambarana ny sendikan’ny artista. Naneho hevitra koa ireo mpanakanto hafa tsy momba izany…
Inona no hitranga rahampitso ? Liana dia liana amin’ ny valin’izay fanontaniana izay ny mpanaraka ny vaovaon’ny mpanakanto. Rahampitso talata 24 janoary no voatondro fa hanaovana ny fivoriamben’ireo mpanakanto mpamorona, mpikambana ao amin’ny Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona na ny Omda. Araka ny fiantsoana nalefan’ny Omda, hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina izany, manomboka amin’ny 10 ora.
Maromaro ny lahadinika, toa ny tatitry ny asa vita sy ny tsy tontosa, ny tatitra momba ny ara-bola sy ny olana sedraina, fa indrindra ny fifidianana izay ho solontenan’ny mpanakanto mpamorona eo anivon’ ny filankevi-pitantanan’ny Omda. Ito farany no tena nahabe resaka ny faran’ny herinandro teo, ka nahazoana fanehoan-kevitrabe indrindra.
“Omeo ny volanay, tsy izy io fifidianana io”, hoy i Rossy
Nampiantso mpanao gazety teny amin’ny Kianjan’ny Kanto ny asabotsy teo ny sendikan’ny kanto (Syka), izay tarihin’i Rossy. “Voahitsakitsaka ny zonay. Herintaona izahay no tsy nandray vola ka omeo aloha ny volanay. Tsy izy io fifidianana terena hatao io ka tsy ekenay. Manao amboletra ny minisitera ka boaikely tsy mikatona lohamalemy izay malaza fa tsy mpamoron-kira ireo no milaza fa izahay mpanakanto zokiny no manakorontana. Ho avy ao izahay fa “hanao action” fa tsy hisy fifidianana mandeha izany eo”, hoy ny nambaran’i Rossy.
“Mitaky izahay avereno aminay, aleo hotantananay madio mangaraharaha ny Omda. Aleo izahay hizaka tena hitantana an’io orinasanay io fa tsy fotoana izao hambolena disadisa”, hoy i Dama.
“Tapaka sotro fihinanana ireo”, hoy i Malm
Anisan’ireo mpanakanto tanora tohina ka namaly an’i Rossy i Malm. “fa maninona dia manambany ny artista “kely”? Ny “artista kely” no malaza amin’izao ary feno mpaka azy na dia “boîte de nuit” tokoa aza. “Fa ireo mpanakanto zokiny no tapaka sotro fihinana ka miziriziry tsy hanova…”, hoy hatrany i Malm.
“Mpanakanto mbola tsy mikatona loha malemy manao fampisehoana 80 anatin’ny taona iray, mahatratra 5.000 ny mpijery amin’ny seho iray. Ny mpanakanto lehibe efa mikatona lohamalemy kosa raha manao fampisehoana lehibe iray isan-taona, mahazo 20.000 mpijery. Iza no tokony mandray vola betsaka kokoa?”, hoy kosa i Roberto, lehiben’ny tarika Stéphanie.
“Fa inona ilay tombontsoa manokana mampifikitra anareo eo? Efa lany “mandat” tamin’ny novambra ny mpikambana ao amin’ny C.A ka aleo ho olon-kafa indray fa ianareo tsy nahitanay artista tombontsoa”, hoy kosa i Stéphanie.
“Naheno aho hoe misy fivoriambe ka dia eo no hanentanako antsika mpanakanto tanora mba hiady hoan’ny tombontsoantsika. Misy olona vitsivitsy misitraka izany ao rehefa tsy hiady ny antsika isika. Andao hiaraka hientana rivo-baovao sy aim-baovao ho an’ny Omda”, hoy indray i Meizah.
“29 taona izao no naha mpikambana ao amin’ny Omda ahy. Tsapako tsy voaaro araka ny tokony ho izy ny zoko hatramin’izay satria raha radio 10 no reko mandefa ny tononkalo sy sombin-tantara nosoratako, eny hatrany amin’ ny radiom-paritany koa, rehefa tonga ao amin’ny OMDA aho dia radio 2 monja no voasoratra ao hoe handraisako vola. Hanolo-tena aho hanao, hilatsaka ho fidiana ho mpikambana eo amin’ny filankevi-pitantanana raha tohananareo mpanoratra namako”, hoy kosa i Hobiana, mpanoratra sy poeta.
Efa nanao fanambarana fa vonona hilatsaka ho amin’izany koa i Arikoms Randria, hisolo tena ireo mpanoratra tantara fihaino amin’ny onjam-peo. “Matokia fa hiady ho an’ny tombontsoantsika aho”, hoy izy.
Namaly ny tale vonjimaika
Voatsikera matetika ny tale vonjimaika napetraky ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, hisahana ny Omda, mandra-panendrin’ny Filankevitry ny minisitra izay ho tale vaovao. Namaly ihany koa ito farany, omaly. “Hatramin’izay aho ninia nangiana fa tsara ihany raha mahafantatra ny zava-nisy ianareo, fa indrindra ianareo mpanakanto tompon’ny vola ao. Ho anareo midongy mafy ny tsy hitondrana fanovana ao amin’ ny Omda io, valio ireto fanontaniana telo ireto: Lazao mazava amin’ny artista rehetra ny mikasika ilay atao hoe «part des artistes inconnus» fa volabe isan-taona io, ary nandritra ny taona maro. Faharoa, ahoana ny mikasika ny kaonty tao amin’ny BMOI izay nanjavona tampoka?Farany, ahoana ny mikasika ny «contrat» natao tamin’ny Assurance Aro?”, hoy Randrianirina Yslin.
Raharaha mafana, araka izany, ity resaka Omda ity, ka miandry izay havoaky ny ampitso ny mpanara-baovao rehetra.
Randria.