Apinga: mampandroso ny firenena Malagasy ny kabary

“Isan’ny ahafantaran’ny vahiny ny maha izy azy antsika Malagasy ary mampandroso ny firenena ny fanajana ny kolontsaina”, hoy ny filohan’ny mpikabary eo anivon’ny fikambanana Apinga, Toavi­ma­nampisoa Mitahiry Fa­hendrena. “Mijoro ny hampandroso ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy ary hamita ny iraka ho an’ny firenena ny anjara andraikitry ny fikambanana mandalina ny kabary eto an-toerana” hoy hatrany izy. Ho an’ny fikambanana Apinga manokana, ezaka ataon’izy ireo ny hanatsara ny zava-bita sy ny ezaka vita hatrizay mba hanandratana avo ny kolontsaina malagasy. Tanjon’ny fikambanana ny hampiakatra hatrany ny lenta sy ny fahaizan’ireo mpampianatra. Mba hahafahan’ireo mpianatra maniry ny handalina ny taranja kabary. Hitarina ny toeram-pampianarana mba ahitan’ny fanjakana ny asa ataon’izy ireo manoloana ny kolontsaina malagasy. “Mam­pi­hetsika ny hambom-pon’ny fikambanana ny hetsika ara-kolontsaina toy ny natao teny amin’ny kianja maitso Ana­la­mahitsy tamin’ny 15 Janoary lasa teo ka anaovana ezaka tsara kokoa” fanazavana ha­trany. Niisa 28 ireo mpampianatra nisalotra mari-boninahitra teo anivon’ny fikambanana nandritra iny hetsika iny . Nilaza ny maha matihanina azy amin’ny fampianarana kabary ny fikambanana sa­tria efa 15 taona nijoroana ara-panjakana.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: