“Urban Talenta”: tompondaka Rangita, Tanjona ary ny Art-Kalo

Sento Arilala Sylvie na Rangita teo amin’ny sokajy Rap. Tanjona Randrianarivelo teo amin’ny sokajy Rn’B. Ny tarika Art-Kalo kosa no nibata ny amboara teo amin’ny sokajy “tropical”, nandritra ilay fi­faninanana “Urban Talenta”. Tontosa ny alahady tolakandro teony famaranana ity fifaninanana talenta vao ity, ka ireo no nofidian’ireo mpijery sady mpankafy tonga nameno ny Ivokolo Analakely.
Raha toa ka tany amin’ny 500 tany ireo manan-talenta nandefa ny sanganasany hifaninanana tao amin’ny vovonana “La Rue nous concerne”, 27 tamin’ireo no noraisina. Rehefa nandeha ny fifidianana, tarika na mpanakanto 9, izany hoe telo isan-tsokajy ihany no niatrika ny famaranana. Ho lasa masoivohon’ny “La rue nous concerne”, izany hoe hampita hafatra amin’ny fiarahamonina ireto tompondaka ireto.

Zo ny Aina

Partager sur: