Tsy mbola tafiakatra amin’ny dingan’ny lalao ampahefa-dalan’ny Chan, Algerie 2023, ny Barea de Madagasikara. Saingy ady sahala na faharesena amin’ny elanelana isa iray amin’i Soudan no ilain’ny Barea dia tafita amin’ny dingana manaraka androany.
Ho tanterahina androany ny lalao amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny vondrona “C”, amin’ny fifaninanana “Chan Algerie 2023”. Araka izany, mety ho tafavoaka amin’ny lalao ampahefa-dalana ny Barea de Madagasikara, raha toa ka manao sahala na resy amin’ny elanelan’isa iray amin’i Soudan izy ireo. Fihaonana izay hotanterahina androany, any Constantine.
Raha hazavaina tsara io vinavina io, raha manao sahala ny Barea dia manana isa fito. Noho izany dia isika no mitarika ao amin’ny vondrona misy antsika ary faharoa kosa i Ghana. Saingy raha resy amin’ny elanelan’isa iray kosa isika( ohatra 1 no ho 0 ), samy mitana isa 6 i Ghana, i Madagasikara ary Soudan. Dia hojerena ny «confrontations directes» an’ izy telo. Mitovy tanteraka izany nefa ( fandresena 2, faharesena 1).
Hojerena ny baolina tafiditr’izy ireo na ny «goal average» amin’izy telo dia Ghana manana isa 6 (+1), ny Barea isa 6 (0) , i Soudan isa 6 (-1).
Fadiana ny resy amin’ny elanelan’isa roa
Na izany aza, tsy mahazo manao resy amin’ny elanelan’isa roa na mihaotra (ohatra : 3 no ho 1) ny Barea. Antony, samy manana isa 6, i Ghana sy i Madagasikara ary i Soudan. Araka ny fanazavana teo aloha, mbola hojerena indray ny «confrontations directes» sy ny “goal average” an’ izy telo ireo. Mitovy tanteraka amin’ny fanazavana teo aloha ihany ny vokatra saingy ny “Goal average” amin’izy telo no mahasamihafa azy. Izany hoe manana tombony ny Ghana manana “Goal average” (+ 1), i Soudan (0), ary Madagasikara (-1). Araka io, raraka ny Barea de Madagasikara.
Marihina fa tsy hiantehitra amin’izany kajikajy izany ny Barea, fa hiezaka ny handresy an’i Soudan no tanjon’izy ireo araka ny filazan’ny Mpanazatran’ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô.
Ankoatra izay, efa tafita amin’ny lalao ampahefa-dalana i Ghana, raha toa ka mbola miady izany tapakila izany isika sy i Soudan. Araka ny vaovao voaray, mahazo isa telo ary mandresy amin’ny isa 3 no ho 0 avokoa ny ekipa nifandona tamin’i Maroc.
Fitia ( Mpianatra asa)