Kolontsaina sy zavakanto : Miandrandra ny volana aogositra, septambra, oktobra ny mpihiragasy

Raha ny volana jolay no nantenaina fa hisy kely ny tsena. Nihena izany raha oharina tamin’ny taon-dasa. Mbola misy telo volana ahafahana mametraka ny fanantenana, anefa, raha ny nambaran’ireo mpihiragasy.

«Ny firenena iray ma­nontolo sy ny fiainam-piarahamo­nina mihitsy no mandalo fahasahiranana, ka tsy mahagaga raha misy fihenany ny adin-kiragasy hita any amin’ny lanonana fanaon’ny Malagasy, raha oharina tamin’ny taon-dasa », hoy i Dadafara mpikarakara hetsika sady mpamokatra rakikira sy rakitsary hiragasy.
Na izany aza, nohamafisiny fa « ny volana aogositra sy septambra ary ny oktobra mbola eo. Ireo no tena fikarakarana sy fanaovana ny famadihan-drazana. Azo inoana kosa fa hiverina amin’ny lao­niny na mety ahitana fihenany fa kely dia kely ny fanaovana adin-kiragasy mandritra ireo volana telo ireo ».
Ankoatra ny maha kolon­tsaina sy zavakanto azy, iray amin’ireo manamarika ny lanonana fanaon’ny Malagasy ny fisian’ny adin-kiragasy. Mifono zava-dalina sy fanabeazana izy io, hany ka sarotra ny hanatanterahina lanonana tsy arahina hiragasy, raha ny fanazavan’i Dadafara. Notsiahiviny fa mozika ihany ireny hita eny an-dalambe amin’ ny fotoana fanaovana hasoavan-jazalahy, (na hita tsindraindray any amin’ny famadihan-drazana) ireny fa tsy hiragasy.
Mila hay tsara ny manavaka ny hiragasy sy ny mozika izay hoenti-mampifaly ny tompon’ny lanonana sy ireo na­saina ary ny manodidina. Ny hiragasy kosa, manana ny toerany manokana amin’ny fanatanterahana ny famadihan-drazana na ny lanonana hafa tahaka ny fitokanana trano. Amin’ny fotoana hanatanterahina ny adin-kiragasy, vory maro ny olona, ampitaina ny hafatra. Misy ny tsodrano omena ny tompon-draharaha sy ny mpanatrika, sns.
Fantatra fa ny eto Imerina sy ny manodidina no mbola tena ahitana adin-kiragasy.
Na izany aza, manomboka fan­tatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ity noho ny fisian’ny fifandraisana sy serasera amin’ny alalan’ny haitao vaovao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: