Hatao eny amin’ny tokotany malalaky ny CCI Ivato, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny alahady 27 jolay ho avy izao, ny fampisehoana « Revy revy mody masoandro », karakarain’ny Louvto Company. Hetsika hiarahan’ny tarika Mahaleo, Mahaleo Taranaka, Lôlô sy ny Tariny ary Samoela. Andiany fahatelo ity fampisehoana
ity, nampisehoan’ny orinasa Airtel, fa mpiara-miombon’ antoka voalohany, efa teo ary ho eo foana izy ireo. Notsorin’i Dama, ao amin’ny Tarika Mahaleo, fa « tsapanay fa tsara ireo andiany roa voalohany. Koa mitebiteby tokoa izahay izao, satria tsy maintsy hanome ny tsara kokoa hatrany amin’ity andiany fahatelo ity ». Nomarihin’i Samoela, fa “samy manana ny maha izy anay izahay ireo. Vao mainka anefa hiavaka ny hetsika satria hisy ary maro ny hira itambaranay haseho amin’io fotoana io ». Nanamafy i Dama, fa « fotoana mampitambatra ny rehetra ny Revirevy mody masoandro, toy ny mpankafy gitara, ny Malagasy tsy ankanavaka, satria mifototra amin’ny teny malagasy ny hiranay. Mitanisa ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina, sns ».
Mizara roa ny fidirana eny amin’ny vavahady, misokatra amin’ny 10 ora maraina, ho an’ny VIP, sy ny olon-tsotra. Misy fiara mpitatitra miainga eo Analakely mankeny Ivato, mandroso sy miverina, fa mila manao famandrihana mialoha.
Njaka A.




