Tonga tampoka i Marion ! Vaovao lehibe ho an’ireo mpankafy, indrindra ireo efa nanam-pikasana ny hijery ilay fampisehoana « Génération 2000 », ity. Nampahafantarina mantsy fa « live streaming » ny anjaran’i Marion, noho izy monina any ivelany. Nigadona an-tanindrazana, omaly, ity mpanakanto anisan’ny namaky lay ny Rn’b teto Madagasikara ity. Hamerina indray ireo hira nahafantarana azy, mandritra ny seho izay hotontosaina ny alahady izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Tsy ho avy amin’ny « Somaroho ! », Any Nosy Be, indray i Shenseea. Vaovao ratsy kosa izay ho an’ ireo mpankafy azy efa nivonona ho any Nosy Be, indrindra ireo mponina any efa niandry fatratra. « Nangataka izy ny hanemorana ny fitetezam-pirenena hataony aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, nefa tsy afaka akisatsika fa tsy maintsy manomboka ny 6 aogositra ny Somaroho », hoy i Wawa, omaly. Mbola misy fanantenana ny hahita azy an-tsehatra ihany, araka izany, ny mpankafy azy eto Madagasikara.
Etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka, ny Collectif Rohy. Mazava loatra fa hetsika hisantatra ny vita Bacc izy ity, hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hifarimbona hizara ny kantony ry zalahy mpilalao rima aman-gadona, mitovy fijery sy fironana na tafaraka anatin’ny Rohy. Fotoana hanehoana ireo ketrika hozaraina ho an’ireo tsy mbola nahalala, fa fotoana efa nandrasana ihany koa ho an’ireo efa mpikifa izany.




