LALAON’NY NOSY (JIOI 2023) – ANDIANY FAHA-11 MADAGASIKARA – 25 Aogositra – 3 septambra

J-215 amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), ny rehetra. Efa samy manomana izany avokoa ireo firenena fito hiady izay ho lohany. Handray ny andiany faha-11 i Madagasikara, amin’ity taona ity.

Fampiantranoana
fanintelony

Araka ny tapaky ny vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), nivory teto An­tananarivo ny 18 novambra 2022, hotanterahina eto Madagasikara ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI). Hotanterahina ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao, izany. Fampiantranoana fa­nintelony izany ho an’i Ma­dagasikara. Raha tsiahivina, natao teto Antananarivo ny andiany fahatelo ny taona 1990 sy ny fahafito ny taona 2007.

Tsy toy ny andiany rehetra

Hiavaka tsy ho toy ny mahazatra ity andiany faha-11 ity. Eo aloha ny habetsahan’ny taranja hifaninanana, izay tsy mbola nisy hatramin’izay. Eo ko ny fanaparitahana ireo taranja hifaninanana, any
amin’ny faritra fa tsy hivangogo eto an-drenivohitra, toy ny tamin’ireo andiany hafa. Amin’ity, hianoka ao anatin’ny fetin’ny fanatanjahantena aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianiana koa i Boeny sy i Sainte Marie ary i Fort-Dauphin.

Indray mandeha tsy nandray anjara

Tao anatin’ireo andiany 10 notanterahina tamin’ity la­laon’ny Nosy ity, indray mandeha ihany no tsy nandray anjara i Madagasikara tamin’ny fanombohan’ny fifaninanana, taona 1979. Ankoatra izay, nifaninanan tamin’ireo lalao rehetra natao i Comores, Maldives, Maurice, La Réu­nion, Seychelles. In-dimy kosa i Mayotte ka nitambatra tamin’i La Réunion, izy ireo ny taona 2003, nandritra ny fihaonana natao tatsy Mao­risy.

Partager sur: