Nosy telo tsy mbola nampiantrano ny lalao

Hatreto, firenena telo tsy mbola nampiantrano ny lalaon’ny Nosy (JIOI) dia i Comores sy i Mayotte ary i Maldives. Saika mandray anjara hatrany anefa izy ireo, na tsy mampiantrano ity fihaonana ara-mpanatanjahantena iraisan’ny Nosy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ity, aza.
Efa samy nandrombaka medaly volamena daholo kosa anefa izy ireo. Raha tsiahivina, nitontaly 4 ny efa azon’i Comores raha 2 kosa ny an’i Mayotte ary 1 ny an’i Maldives. Efa nisy fotoana saika handray ity lalao ity, ry zareo tao Maldives, saingy vonona izy ireo teo amin’ny lafiny foto-drafitrasa.Tsy mbola nanao fangatahana handray izany kosa i Comores. Mayotte indray tsy manam-paniriana ny amin’izany noho izy departemanta frantsay, miaraka amin’i La Réunion.

Partager sur: