Mitohy ny andro ratsy : hikija ny orana, hiakatra ny renirano

Mbola mitohy ny andro ra­tsy hatramin’ny alakamisy. Mi­­sy ny fikorontanana noho ny rivotra mafy mahatratra 55km/ ora, arahina tafiotra 65 km/ora. Misy izany ny any avaratra an­dre­fana, afovoany an­dre­fana ary atsimo atsinanan’ny Nosy ha­­try ny omaly. Hiteraka fanelingelenan’ny fahitana sy fahasarotan’ny fifamoivoizana an-dra­nomasina izany. Voaka­sik’ izany ny eo anelanelan’An­a­la­la­­va sy Morondava sy anelanelan’i Mahanoro sy Vangain­dra­no.
Hitohy hikija ny orana izay mety hahatratra 70 hatramin’ny 100mm/24ora amin’ny faritra afovoany andrefana, atsimo atsinanan’ny Nosy ary ny faritra sasany amin’ny afovoan-tany. Hatramin’ny alakamisy izao no heverina hisian’ny rotsakorana matevina.
Hiteraka rano mihandrona, fiakaran’ny renirano, ranotrambo, fihotsahan’ny tany izany amin’ireo toerana atahorana. Anisan’ny voakasin’ity oram-be ity ny distrikan’i Ambanja, Bea­lanana, Analalava, Antso­hi­hy, Boriziny, Mampikony, Mi­an­drivazo, Belon’ i Tsiribihina, Farafangana, Vondrozo, Van­ga­in­drano, sy ny distrika rehetra ao Boeny, Melaky, Vato­va­vy, Fitovinany ary Analamanga.
Mila miakatra haingana amin’ny toerana azo antoka ireo olona mipetraka amin’ny faritra marefo.

Hiakatra be Betsiboka
Nahatratra 4,20 m. 3,40m, omaly ny haavon’ny rano eo amin’ny reniranon’i Betsiboka (tetezana RN4). Niakatra ho 0,35m kosa ny haavon’ny rano eo amin’ny reniranon’Ikopa ao Antafia (akaikin’i Maevatana­na) hatry ny omaly maraina. Mihatra avy hatrany ny filazana miloko mena na filazana lo­za mihatra amin’ny fiakaran’ny rano amin’ireo toerana manamorona ny reniranon’i Be­tsi­boka manaraka:Ambatoboeny, Marovoay, Madirovalo ary Marolaona.

Tatiana A

Partager sur: