Tia raha

 

“Mangarahara angamba tsy misy ohatr’ireny nataon’ny filohan’ny Repoblika ireny”, hoy ny mpanohana fitondrana. “Horonantsary fizarana fahafiry?”, hoy kosa ny mpanohitra sy ny ankamaroan’ireo olo-malaza mpanao ranty hisintonana olona anaty tambajotra ireny. Tiana ambara etoana ny resaka Ambohimalaza sy ny fanapoizinana, ary ilay adin’ny mpianakavy hafahafa.
Ampy ho teboka hamaranana iny tantara ratsy sady mampihorin-koditra no mahonena iny ilay fanambarana miezinezina. Raha ny vaovao nivoaka dia tokony ho efa hikatona ny raharaha. Ny fanadihadiana rahateo efa nilaza fa nisy ny niaiky heloka. Feno rahateo ny porofo nahafahana manamarina fa mosavy ankitsirano ny zava-niseho.
Toa olona ratsy vintana, tafiditra tanaty adin’ny mpihavana fotsiny izany ireo namoy ny ainy? Raha zohina akaiky ny famelabelaran-kevitry ny manampahefana dia olona iray na roa no kinendry saingy niaraha-niaina sy nahita ny zavatra nisy. Mazava ny zava-drehetra hatreto raha ny vaovao ofisialy no zohina akaiky. Tsy misy tokony hanaovana resabe intsony.
Indrisy anefa moa! Efa miova mihitsy ny toe-javamisy amin’izao fotoana izao. Diso “tia raha” sy mankafy tatasika ilay vahoaka malagasy. Zara aza misy hororitina sy hanokafana ady hevitra hafa foana. Tsy matoky sy tsy mino intsony ny fanambaran’ny fitondram-panjakana ny sasany. Manao ny fomba rehetra ahafahana mandrangitr’olona sy mampirisika tsy hankatoa ny Filoha.
Misy mihitsy ireo mahavita mamorona lohahevitra hafa indray, hanozongozonana ny fiandrianan’ilay fanjakana. Mitady hirika ny hanakorontanana saim-bahoaka. Misy ireo mikaroka andro aman’alina ny toe-javamisy miiba handrehetana ny afon’ny fifankahalana amin’ny samy Malagasy.
Manoloana izany anefa dia tokony ho samy haka lesona tamin’ity tantara mainty ity ny Malagasy tsivakivolo. Mainka fa raharaham-pianakaviana ilay izy, tokony hiakatra ny soratra…

r.r

Partager sur: