« Manala Azy vita bacc » : Fotoana tsy dinganina ho an’ny mpankafy

Mety mihena ny isan’ny avy nanala fanadinana. Mitombo kosa ny mpankafy ny « manala azy », sy ny vazon’ny Olombelo Ricky.

Fotoam-bita. Zary kolon­tsaina mihitsy ny « Ma­nala azy vita bacc » an’ ny Olombelo Ricky. Tontosa halina ny andiany faha-34 tamin’ny hetsika, ary dia na­maly hatrany ireo mpankafy. Marina fa mihavitsy ireo tena avy nanala ny fanadinam-panjakana, saingy ireo tonga kosa dia azo antoka fa nandova ny kanto tamin’ireo ray aman-dreniny, izay mbola manohy ny « Manala azy » ihany koa.
Tamin’ny 6 ora hariva ny fotoana, efa tonga nialoha izay ireo tena mpankafy tsy te ho diso na hira iray aza. Vao nanomboka ny doboka am­ponga voalohany amin’ilay mampiavaka ny Olombelo Ricky, niakatra avy hatrany ny hafanana. « Androany hariva » rahateo ny hira voalohany, toa nosafidiana hanoritra ny seho manontolo… Niara-niredona ireo hira taloha nandritra ny tapany voalohany. Ry « Amo­rom-parihy », « Ranabaviko masaka », « Teny masina », mandalo ny « Mandravasa­rotra », sns. Efa nasosok’i Ricky sy ny tariny tao ihany ireo hira taty aoriana sasan­tsasany, izay efa voarain’ireo mpankafy rahateo.
Mitohy ilay revy. Toy ny fi­rafitry ny tarika teny an-tsehatra ihany ny kisary hamaritana ny « Manala azy ». Eo ireo zoky nitari-dalana ary mbola mampita ilay kolontsaina, toa an’i Mendrika eo amin’ny amponga maroanaka, Titi eo amin’ny zavamaneno tsofina ary i Rivokely eo amin’ny vatamaroafitsoka. Eo koa ireo zandry mahaleo mahalasana nandray ny fanilo toa an-dry Jahleky, Dina Voakaly, Njaka ary i Miaro Tanjona. Naheno ny feon’ito farany rahateo tanatin’ilay hira « Loharano » ny rehetra ka resy lahatra. Dia toy izay koa ny fandaharana ny hira nentina an-tsehatra, ahitana soritra izay fitohizana izay.
Mazava loatra anefa fa ireo hira nanamarika vanim-potoana, mirakitra tadidy tsy hay kosehina teo amin’ny tantaran’ireo efa « nanala azy » taloha no tena be mpiandry. Ry « Eo anilanao », « Ikalan­gita », « 1+1 », « Eo anilanao eo », « Taratra hazavana »,
« Mbola zaza », sns, izay tsy vitsy ihany koa no nanorin-tokantrano tamin’ireny hira ireny. Fehiny, mitohy ny tantaran’ny « Manala azy vita bacc », ary ny Olombelo Ricky sy ny mpankafy azy no tompony.

Zo ny Aina

Partager sur: