TARATRY ny KANTO

« Revirevy mody masoandro », eny amin’ny CCI Ivato. Rahampitso alahady ilay andiany faharoa amin’ity hetsika ity. Fampisehoana hamerenana ny revy mihodidina afon-dasy, iarahana amin’ny tarika Mahaleo sy ireo taranaka, Revy Lôlô sy ny tariny hoentin’i Benny, Bebey ary i Nini Kolibera ary ny vao mite­nin’i Samoela. Samy hanana ora iray avy ny tarika, ankoatra ny hira iarahana.

Hisy fifanentanana mpilalao tantara an’onjampeo any Antsirabe. Hotontosaina rahampitso io, manomboka amin’ny 9 ora, ao amin’ny espace Le Délice, Vatofotsy Antsirabe. Arahina fampiofanana izay hosahanin’ireo andrarezina toa an’i Christophe Rabea­rimanana sy Arikaomsa Randria izany. Ny fikamba­nana Kanto Miranga no mpikarakara azy ity, izay manana tanjona ny hampitombo ireo mpisehatra amin’ny tan­tara fihaino.

Tendrena avokoa ny hira rehetra mandritra ny « Génération 2000 ». Efa fifanarahana natao tamin’ ireo mpanakanto io, mba hanome lanja ny fampise­hoana hotontosaina rahampitso, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hifandimby an-tsehatra ny tarika ‘Zay, Tempo Gaigy, Eric Tahina, Imagine, Spy D, Mirado, Joy K ary i Marion. Ny tapakila tsotra sisa tavela.

Partager sur: