Seho santatra: Hanampy ny manano­tena ny « Jaim »

Notontosaina tetsy amin’ny Kianja mitafon’Imahamasina ilay fampisehoana « Antsam-piderana lehibe miavaka », nokarakarain’ny fikambanana Jerin’ny avara-pahalalana ilon’i Madagasikara (Jaim). Seho nandraisan’ireo tarika andrarezin’ ny hira evanjelika toa ny KTKT Toliara, TGC, Henika, Chorale Lova Militaire Toliara.
Fantatra fa hetsika voalohany nokarakarain’ny Jaim ny omaly. Hanampiana ireo reny mananotena sy ny zaza kamboty amin’ny fiatrehina ny fidiran’ny mpianatra ny vola azo tamin’ izany. Nomarihin’ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ity fikambanana ity fa santatra ihany ny eto Antananarivo Reni­vohitra fa anisan’ny tanjon-dry zareo ny hitondra ny hetsika tahaka izany manerana an’i Madagasikara. Notsiahivin’ity filohan’ny Jaim ity fa anisan’ny zava-dehibe amin’ny hetsika tahaka izao dia ny fampahatsiahivana ny fiverenana amin’ny kolon­tsaina malagasy sy ny fahafantarana an’Andriamanitra.
Fantatra fa hitohy ny hetsika. Omena lanja hatrany ny fampiarahana ny kolontsaina sy ny sosialy. Mahatratra 50 eo ho eo ny mpikambana ao amin’ny Jaim tao anatin’izay 2 volana nijoroany izay.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: