Mamono afo!  

Tena mahatsiravina ilay filalaovana politika eto amin’ny tanàna. Tsy misy andro  mihiratra tsy ahazoana vaovao miiba mahakasika ireo mpikirakira izany. Zary fifamotehana noho ny resa-bola sy valifaty manokana sisa no azo hamaritana ilay politika. Tsy vitan’izay fa misy mahavita mamoron-dainga hanaratsiana ny hafa.
Tsy ny fiarahamonina ihany no simba eto Madagasi­kara fa hatrany amin’ny lohany sasantsasany. Maodely ratsy ho an’ny sarambabem-bahoaka. Ohatra masirasira ho an’ny Malagasy ny ampahany amin’ireo nomem-pahefana. Manao ilay tanindrazana, ilay taninjakana ho toeram-pilibana, ho fandrombaham-pahefana.
Ny tena mahatsiravina, ity fomba mamohehatra mifamosavy ity. Tsy ilay mifamely ankolaka sy mandefona ivo­ho fa ilay mamorika ara-bakiteny tokoa. Mahasahy mandatsaka aina ankitsirano. Efa tsy mifamono faobe amin’ny fahantrana fa ireny resaka “Donut” sy Ambohi­ma­laza ireny.
Inona moa izany no hanaovana resabe azy iny tokoa? Efa nazava ny fanambarana avy amin’ny Filo­han’ny Repoblika. Tsy mety afapo amin-draha tsy manjary hany ka mikopakopaka ny afo efa maty. Manahirana tokoa ny zava-drehetra miseho fa zary ifaninanana ny mandrehitra sy mamono izany.
Mifandrimbina manao izany na mpanohitra na mpanohana fitondrana. Ny mpanohitra manohitra mpitondra, ny mpitondra manohitra ny mpanohitra. Tsy hita be ihany ny hametrahana ilay tongotra. Tena izay mahafaly sy mahafinaritra olom-bitsy no hany mahazo vahana sy omen-daka. Mampiteny ny moana ilay firaisana tsikombakomba amin-draha ratsy.
Mahalasa saina sy mapandini-tena ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Tsy atao mahakivy anefa fa entina hanovozana angovo, ho amin’ny fikatsaham-panovana ho an’ny tanindrazana. Ny hisavorovoroan-kilantoana, toko tapaka ihany koa ireny ka tsy maintsy harenina tsikelikely hoenti-mivoatr

r.r

Partager sur: