Tarika zokiny indrindra sy mihetsika indrindra koa. Mbola miaina sy mampiaina tanteraka ny rap gasy ry Da Hopp. Manohy ny ketrika sy mizara hatrany ihany koa.
“Mbola ireo ry zalahy!” Nahateny izany avokoa izay nijery ny fampisehoana nataon’ny Da Hopp, nandritra ilay hetsika fahatsiarovana ireo niharan’ny lozam-piaramanidina, izay natao ny 18 jolay lasa teo, tetsy amin’ny Coliseum. Mbola ao anatin’ny tontolo nanombohana sy nivelarany ny Da Hopp, ary tombony ho an’ny tarika ny fahamatorana anatin’ny mozika lalaoviny. “Deep South Style” no namaritan-dry Ben J, Tax ary Jento izany. Rap mahazo faka malagasy, manasongadina ny mozika avy any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny. Efa elaela izay no niezaka nizara izany ny Da Hopp, ary hotohizana ny sabotsy 2 aogositra izao izany, manomboka amin’ ny 4 ora sy sasany, etsy amin’ ny Carpe Diem Ankorondrano.
Izay filaroan’ny mozika an-tanàn-dehibe sy ny mozika nentim-paharazana malagasy izay no marika apetraky ny tarika. Mampivelatra ny mozikan’ny Da Hopp ho afaka henoin’ny rehetra izany. Nisafidy rahateo ny hanana mpitendry ny tarika, izay ahitana an’i Ntsaly eo amin’ny ampongamaroanaka, Ralf eo amin’ny gitara ary i Manoa no miangaly ny gitara beso. Eo hatrany koa i Dj Yatang, manamafy ny lafiny mozika. “Mozika avy any atsimo toy ny beko no natambatray amin’ny rap. Misy te hanao an’ilay izy koa taty aoriana te haka tahaka, fa an’ ny Da hopp io ”, hoy i Jento. Ao ambadik’izay fironana amin’ny mozika izay i Maximin Njava, izay misahana ny rindra ara-javakanton’ireo hira.
Ao anatin’ny fanomanana ny fivoahan’ny rakikirany vaovao ny Da Hopp amin’izao fotoana. Io rakikira io no tena hamaritra ilay “Deep South Style”, na dia efa nisy maromaro aza ireo nivoaka teo aloha. Araka izany, fotoana iray anehoan’izy ireo an-tsehatra ny santionany amin’ireo vokatra vaovao io fampisehoana io. “Amin’ny ankapobeny, mahakasika ny hoe Malagasy mino an’Andriamanitra, tolom-bahoaka, sosialim-bahoaka, ny lohahevitra voizina ao; mampiavaka kely azy amin’ity dia hiresaka fitiavana koa, izay tsy mahazatra ny Da Hopp hatramin’izay”, hoy hatrany ny fanazavan’i Jento.
Zo ny Aina




