TARATRY ny KANTO

Laharana fahatelo ilay horonantsary “Sita­bomba”, notontosain’i Lova Nantenaina, nandritra ny “Festival Africajarc 2025”. Mitombo hatrany ny fankasitrahana iraisam-pirenena azon’ity horonantsary ity, na­nomboka tamin’ny taona 2023 nivoahany. Hetsika iray ho an’ny kolontsaina afrikanina, fanao any Cajarc, any Frantsa izy ity, izay ahitana fampirantiana, fifaninanana sy fandefasana horonantsary, fampisehoana, sns.

Hisy atrikasa hialoha lalana ny “jazz@ Toha­toha­bato”. Hanomboka rahampitso alarobia 30 jolay izany, amin’ny 11 ora hatramin’ny 2 ora, ao amin’ ny CGM/GZ Analakely. Fampidirana ny mozika no ha­taon’ i Charles Mingus mandritra izany, izay arahina fihainoana, fandalinana ary adihevitra. Hisy famerenana aorian’izay. Misokatra ho an’ny rehetra izany, saingy voafetra ihany ny toerana ao.

Tontosa omaly ny fampisehoana mozika na­taon’ireo ankizy kely, tao amin’ny efitrano vaovaon’
ny AFT Andavamamba. Mpianatra hira sy piano, samy vao nanomboka ireto ankizy ireto no noraisin’ny Cente académique de musique na ny Cam an-tanana ny fampiofanana azy. Nitarafana ny endri-pampianarana mety sy mora raisin’ireo ankizy izany. Fandrisihana sahady azy ireo amin’ny fiakarana an-tsehatra ihany koa.

Partager sur: