Navoakan’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA), ny faran’ny herinandro lasa teo, fa 8 mianadahy no isan’ireo atleta handeha hiatrika ny lalaon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI 2025). Fihaonana tanterahina atsy amin’ny Nosy Seychelles, ny 2 ka hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Ramanantenasoa Solange, Nomenjanahary Harenasoa, Rakotondramaro Anjaratiana, Botouzara Fitahiana no eo amin’ny sokajy vehivavy. Vonjiniaina Angelin, Justin Eric, Natolojanahary Ysmael, Razafimahita Volahery, kosa ho an’ny lehilahy. Tsiahivina fa hatao ao amin’ny Kianja Linite, ao Seychelles, ny fifaninanana ho an’ny taranja atletisma, ny 5 – 8 aogositra ho avy izao. Efa ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana amin’izao fotoana izao izy ireo. Mpanazatra roa no hanara-dia ireo atleta ireo. Raha tsy misy ny fiovana, hanainga ny zoma ho avy izao ny delegasionina malagasy. Marihina fa taranja 8 no handraisantsika anjara, ahitana ny atletisma, ny badminton, ny baskety, ny baolina kitra, ny judo, ny fibatana fojamby, ny lomano ary ny volley-ball.
Tompondaka




