60 taona ny tarika : Manohy, mamelona ary mampita ireo zanaky Ny Voanio

Ny kanto mitoetra. Tsy nionona tamin’izay ireo taranaky ny tarika Ny Voanio, fa nanapa-kevitra ny hanohy sy hamelona ny zavakanto efa notozoin’ireo raiamandreniny.

1965-2025. Feno 60 taona izao no nisian’ny tarika Ny Voa­nio. Be ny nitranga nandritra izany fotoana izay. Teo ny fahalasan’ireo mpikambana sasany, ny tsy nahenoana ny tarika elaela, sns. Amin’izao kosa, naneho ny finiavana ombam-pikasana amin’ny hoavy ny tarika Voanio. Nam­pahalala vaovao maro koa, omaly, tetsy amin’ny Event’s Qual Ambatomitsangana izy ireo.

Voalohany indrindra, hankalazaina ny faha-60 taonan’ ny tarika Voanio amin’ity. Mbola misy ireo mpikambana taloha, hiaraka amin’ireo taranaka izay hamerina indray ireo hira nalaza tamin’ny taona 60, 70, 80. Faharoa, hisy seho lehibe voalohany, hotonto­saina ny alahady 24 aogositra izao, manomboka amin’ny
3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCesca Antanimena.

« Ny voanio hatramin’izay ihany no hita amin’io fa tsy nisy novaina na ny rindra na ny feon’ireo hira rehetra. Tsy moramora ny mandimby azy 6 mianadahy na dia 6 miana­dahy koa aza izahay no handimby amin’izao. Ny tena hitovy tanteraka, sarotra ihany, fa miezaka ny manakaiky no misy ary manantona ny tena feon’izy ireo. Eo koa ny ra mi­koriana… », hoy ny fampanan­tenan’ny taranaka Ny Voanio.
Ho vahinin’ Ny Voanio man­dritra ity fanombohana ny fankalazana ny faha-60 taona ity i Salomon sy i Narisoa. « Izaho dia mpankafy ary nanaraka izany tarika Ny Voanio izany hatramin’izay. Mahafaly ahy ny mbola hanatrika azy ireo amin’izao. Nisy koa fifama­torana teo amin’ny tantara, satria nisy fotoana nikarakara fifaninanan-kira ny paositra ka nandray anjara i Clarisse. Angamba 12 taona izy tamin’ izany. Anisan’ny mpikarakara an’io aho tamin’izany. Izaho koa mpandray anjara tamina foara iraisam-pirenena, ka nanolotra an’i Clarisse handray anjara tamin’izany sy nitohy tamin’ny fidirany tao amin’ny tarika » hoy i Salo­mon, feno fahatsiarovana.

Zo ny Aina

Partager sur: