Manana ny hetsika ara-javakanto sy ara-toekarena mampiavaka azy avokoa ny distrika rehetra. Tsy ambaka an’izany koa i Vohémar, anatin’ny Faritra Sava. Izy aza no manana ny « Festival » ara-kolontsaina izay anisan’ny zokiny indrindra, satria efa tamin’ny taona 1999 no nisy. Hotontosaina ny
14 hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao ny andiany faha-19 amin’ny « Festival Tsakaraka », ao amin’ny Kianja monisipalin’i Vohemar. Izay ny nambaran’ny Kaomity mpikarakara mivondrona anatin’ny Iharana tonga saina, tetsy amin’ny foben’ny Yas Andraharo, omaly.
Toy ireo « Festival » rehetra any amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny, hanomboka amin’ny « carnaval » hatrany izany. Hanaraka avy eo ny andiam-pampisehoana, izay hataon-dry Moopcan, Ceasar, Rijade, Maman’i Tsôlôlô, Dadi Love, sns. Miara-dalana amin’izany koa ny fifaninanana Miss sy Mister, miampy ny morengy mampiavaka ny Faritra.
Natao hamohazana ny fitiavan’ny mponin’i Vohémar ny kolontsaina sy ny zavakanto ny hetsika, no hatao ho fanoitra ho an’ny toekaren’ny distrika sy ny faritra ihany koa.
Zo ny Aina




