“Intervision 2025”: Tsara toerana i Denise sy D-lain

Tsy mena-mitaha amin’ny hafa. Tsy vitan’izay fa anisan’ireo atahoran’ireo mpifaninana aminy i Denise sy D-Lain, izay mandray anjara amin’ilay fifaninanan-kira “Intervision 2025”, any Russie.

“Tiako hanjeky”. Io ilay fampiaraham-peon’i D-Lain sy i Denise, izay notsongaina manokana tamin’ireo maro nifaninana, satria naharesy lahatra ireo mpikarakara ny “Intervision 2025”. Fifaninanan-kira avo lenta sy iraisam-pirenena izy ity, hatao any Russie, ny 20 septambra ary misokatra amin’ireo mpanakanto avy amina firenena maro. Anisan’ireo manana solontena any i Co­lombie, Kazaksthan, Vene­zuela, Vietnam, Egypte, Qua­tar, Cuba, Kirghizitan, Biél­lorussie, Arabie Saoudite, Etats-Unis, Serbie, Ouebekis­tan, Tadjikistan ary i Russie, izay mpampiantrano.
Tsy mena-mitaha amin’ny mpanakanto avy any amin’ireo firenena ireo anefa ny solontenan’i Madagasikara. Samy efa manana ny lazany eo amin’ny sehatry ny mozika iraisam-pirenena rahateo izy mianadahy ireto. I D-lain, nibata ny amboara tamin’ny “Castel Live 2012”, izay nanokatra ny lalany teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Toraka izany koa i Denise, izay nisongadina tamin’ny “Africa Talent” ny taona 2014 ary samy voalohany izy ireo. Nanampy izany ny fisian’ny fampiaraham-peo sy talenta teo amin’ireto mpanakanto ireto, ka nahafahany hitondra avo ny voninahi-pirenena amin’ity fifaninainana ity.
Marihina fa lelavola 300 000 euros ny loka voalohany amin’izany, ankoatra ny tombontsoa isan-karazany sy ny lalana misokatra ho an’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Anisan’ny tanjona amin’ny “Intervision 2025” rahateo ny hisokafan’izay tsenan’ny mo­zika izay, mba tsy any amin’ireo firenena mahazatra mpanao “festivals” foana fa hisy fihodinana mpanakanto ihany koa ireo firenen-kafa tsy mahazatra firy.

Zo ny Aina

Partager sur: