Zava-panahy : Mitombo isa ny mpampianatra

Samy manezaka amin’izay heveriny fa tandrify azy ny rehetra… Miavaka, anefa, ny tontolon’ny zava-panahy. Mihazakazaka fatratra ny fitomboan’ny isan’ny mpampianatra azy io. Tranga anisan’ny manamarika ny fiverenana any amin’ny fototra? Antony hafa ihany koa, anefa, ny fiovana eo amin’ny fiarahamonina malagasy. Fahasahiranan’ny Malagasy, nahatonga azy hiantsampy, etsy sy eroa. Amin’io lafiny iray io, ny fahamaroan’ireo olona mitady « famonjena » no antoka iray lehibe mampitombo isa fatratra ireo mpampianatra zava-panahy, satria, samy miandrandra fahagagana.
Mahavaha olana ve izy ireny? Miankina amin’ny fahaizan’ ny tsirairay mandinika ny tena zava-misy marina. Mety ho tafiditra ao ihany koa ny finoana. Raha ny fantatra teo amin’ny tantaran’i Madagasikara, iray amin’ireo firenena havanana amin’ny fampiasana ny zava-panahy ny Malagasy. Manamafy izany ny nilazany ny « fanahy no maha olona ». Ambonin’io, niankina tamin’ny lamina voajanahary ihany koa ny fiarahamonina malagasy ka nanaja fatratra ny fahalalana niainana sy nampitain’ny teo aloha.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: