Ny omaly tsy miova: Mila havaozina ny taranja malagasy

Mbola mba tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ihany aza! Tany amin’ny taona 1972 no efa tsikaritra fa tsy mety na tsy ampy na tsy sahaza ny taranaka malagasy ny zavatra ianarana ao anatin’ny taranja malagasy. Taom-pianarana 2025 – 2026, tsy mbola hita taratra ny fanovana. Tsy mbola manangasanga ihany ny hahitana fa misy taranja malagasy ianaran’ny taranaka Malagasy any an-tsekoly.
Sady tsy mahay mamaky teny malagasy. Tsy mahay miteny malagasy. Votsa amin’ny fifehezana ny fitsipi-pitenenana malagasy. Tsy mahafantatra ny fomba amam-panao malagasy. Tsy mahalala ny fiarahamonina malagasy. Tsy manana tadidy vava sy lovan-tsofina momba ny Malagasy. Fa inona no nianarana ao amin’ny taranja malagasy?
Mila fanarenana sy fanavaozana lehibe ireo zavatra ianarana ao amin’ny taranja malagasy. Tsy omen-tsiny ny mpampianatra, satria, izay voarakitra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ihany no arahiny. Tahaka izay ihany koa ny mpianatra. Manana manam-pahaizana maro mo­mba ny teny malagasy ny Malagasy. Hatramin’izao, ane­fa, tsy mbola misy akony any amin’ny taranja malagasy, na misy ihany fa ambilombazana, ny asa fikarohana ataon’izy ireny.
Miainga any amin’ny am­baratonga fototra ka mipaka any amin’ny ambaratonga ambony. Mila fanavaozana ny taranja malagasy, raha tena te hiverina any amin’ny fototra marina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: