Tsy mbola nisy nampiara-peo an-tsehatra tamin’i Poopy ireo vahininy. Mbola hiampy iray izy ireo ho fanomezana avy aminy.
«Ny fandraisan’anjaran’i Denise no fanomezana ho an’ireo mpankafy. Fanomezana ho ahy koa anefa izany », hoy ny nambaran’i Poopy, nandritra ny fampahanfatarana ny andinindinin’ny seho hataony, tetsy amin’ny foiben’ny Star Andraharo, omaly. Mahakasika indrindra ilay seho « Tena kanto », hotontosain’i Poopy sy ny tariny, ny alahady 3 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina.
Ho vahinin’i Poopy mandritra ny seho ireo namany, toa an’i Malala Tarika ‘Zay, Stéphanie, Nanie, Miarimbola sy Leonyh. I Denise no vao nampahafantarina. « Efa fanaoko ny manasa namana miaraka amiko an-tsehatra, fa ny mampiavaka azy ity kosa, tsy mbola nisy tafaraka tamiko mialoha io seho io ry zareo. tsy mahazatra ny mpijery izany. Manome hira vaovao ireo hira nohiraiko amin’ny fanaovany azy. Mamelona ny hira, manome aina vaovao azy indray. Azo atao hoe zandriko daholo izy ireo, ary tena mahafaly ahy ity fiarahana ity », hoy hatrany i Poopy.
« Vehivavy avokoa no nosafidiana tamin’ity. Nisy adihevitra elaela sy maromaro mihitsy teo amin’ny tarika Poopy sy ny Live Prod vao tonga tamin’izao. Efa manakaiky ny tanjona noeritreretina izahay izao fa miandry ny seho sisa », hoy kosa ny nambaran’i Jack Thierry, mpandrindra ny seho no sady mpitendrin’i Poopy an-taonany maro ihany koa.
« Na ny safidin’ny hira hatao na ny fisehoana an-tsehatra, samy hiavaka. Nanontany ny hevitry ny mpankafy amin’ireo hira andrasany izahay, dia nampiana ireo izay efa voaomana», hoy kosa i Tantely Ralalarison, mpikarakara avy ao amin’ny Live Prod.
Araka izany, any amin’ny ora 4 mahery any vao ampy amin’ny seho homanina. Ny tapany voalohany, an’i Poopy irery. Ny tapany faharoa kosa an’ireo vahininy. Any amin’ ny fahatelo ilay Poopy araka ny andrasan’ny mpankafy. Nambarany fa amin’io fotoana io koa no hivoaka ho an’ny besinimaro ilay rakikira « Endrika fitiavana », amin’ny endriny USB.
Zo ny Aina




