Taona 2020 – 2025. Feno dimy taona ny tarika Mihir’all for Jesus. Ho fanamarihana io vanim-potoana io, hiaka-tsehatra haneho ny “Fahasoavanao” ry zareo. Seho ara-pilazantsara tanterahina anio sabotsy 2 aogositra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Hôtel Astauria Antanimena.
Hetsika natao maimaimpoana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka. Tsy misy rakitra hotatazana fa hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra, araka ny fanazavan’ny mpikambana ao amin’ny tarika Mihir’all for Jesus hatrany. Mahatratra 20 eo ho eo ny isan’ny hira hatolotr’ity tarika ity amin’io. Nokendrena haharitra 2 ora sy sasany ny seho. Hivoaka amin’ito fampisehoana tanterahina androany ito ihany koa ny “Vitanao io”, na ilay « album USB », voalohany izay mirakitra hira 8, an’ny tarika Mihir’all for Jesus.
Fotoam-piderana. Fankalazana an’Andriamanitra noho ny fahatrarana ny faha-5 taona. Ireo ny fandaharam-potoana amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavana nomen’ireo mpikambana ao amin’ny tarika.
Nangonin’i HaRy Razafindrakoto




