Maro ny manan-talenta amin’ny asa soratra. Tsy ny rehetra anefa no nahavita mamoaka izany ho boky. Ho fanampiana ireo manam-paniriana hamoaka ny asa sorany ho boky, mikarakara andiana atrikasa ho azy ireo ny Opération Bokiko. Hotontosaina anio ny atrikasa voalohany, manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Cités des Cultures Antaninarenina. Hatokana ho an’ireo havanana kokoa amin’ ny fanoratana amin’ny teny frantsay izany. Hatao amin’ny sabotsy 9 aogositra izao kosa ny an’ireo izay mirona amin’ny fanoratana amin’ny teny malagasy, eny amin’ny Tranomboky Siméon Rajaona Antsahabe.
“Tsara kokoa raha efa mitondra sahady ireo sanganasany mipirimpirina any ireo te handalina, mba hahafahana sahady manampy azy ireo hiroso amin’ny fanatanterahana ny tetikasany”, hoy i Michèle Rakotoson. Ity mpanoratra sady mpanorina ny Opération Bokiko ity no hitarika ny atrikasa amin’ireo fotoana ireo. Hisy tohiny izany fa tsy hijanona amina fotoana iray. Haka endrika fifaninanana eo amin’ ireo samy mpiofana aza, ka izay manana sanganasa mahaliana indrindra no hampiana, hahatongavany any amin’ ny famoaham-boky. Ankoatra ny fanandratana ny literatiora mantsy, andraikitry ny Opération Bokiko ny fanampiana sy fanohanana ireo mpanoratra mbola tsy fanta-daza. Hanome aina vao ny tontolon’ny boky sy ny vakiboky ihany koa izany.
Zo ny Aina




