Vita amin’ny ankapobeny ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Nandritra ny 5 volana ny fotoana nanaovana ny asa mirefy maherin’ny 10 km. Famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (FR), ka mizara 7 ny zotra natao tamin’izany. Vita ihany koa ny lalam-pirenena faha-54, mankany amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy.
Vita ny 80% ny asa fananganana fotodafitrasa any Marohazo Maintirano. Manohana ny asa ny tetikasa AD2M. Anisan’izany ny fanamboarana ny tohodrano Marifilaly, manondraka velaran-tany 1 600 ha, ka miisa 700 ny tantsaha misitraka azy. Eo koa ny fanarenana ny lalana RN19, mirefy 22 km, any Beteno.
Harenina ny vata fampangatsiahana fitahirizana hazandrano any Ambalabe Vangaindrano. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo fitaovana ireo, ka mandritra ny 10 andro ny fe-potoana hanamboarana azy. Nahazo fiofanana koa ny teknisianina miisa 3 any an-toerana, tohanan’ny tetikasa Mamatsy, famatsiam-bola avy amin’ny BMZ.




