Mitoetra ny lazany…: « Tena kanto » ny sehon’i Poopy

Araka ny anarany… Tsy do­­kambarotra fotsiny ilay «Tena kanto», fa fanamby tanteraka mihitsy. Nahita izay nandrasany ireo mpankafy an’i Poopy, nameno ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masi­na, omaly. Ilay Poopy araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay, niampy ny fahamatorana an-tsehatra efa nananany rahateo, ka nahalafatra ny fampisehoana. Feon-kira hain’ny rehetra no nampiditra ny seho, notohizan’i Poopy avy hatrany tamin’ny «Ahoana tokoa ?». Tadidy maro no nitamberina tany anatin’ireo mpankafy, indrindra ireo efa nanaraka azy an-taonany maro. Tany anaty tapany voalohany rahateo no namerenan’i Poopy ny «Niova dika», «Tandrifin-drahona», «Ave­ao aho», sns, hira mirakitra tamberina maro.
Fa ny fotoana niakaran’ireo vahinin’i Poopy no tena nafana indrindra… Nanom­boka izany i Malala ‘Zay, nanao ny «Andro hafa» irery, avy eo «Ny herinao» niaraka tamin’i Poopy. Niakatra avy eo i Nanie, nanao ny «Toa anao» sy «Hafatra». Fa ny nafana in­drindra dia ny nanaovan’i Stéphanie ny «To­lo­na», izay nangatahan’ny mpijery naverina mihitsy. Toraka izany koa ny «Taniko», izay niara­han’i Poopy tamin’i Denise. Vaovao tamin’ireo mpanaraka an’i Poopy hatramin’izay, na dia efa maro aza ny vahininy rehefa manao fampisehoana.
Fanamafisana ny lazany no tena nataon’i Poopy nandritra ny tapany fahatelo. Fi­raisana tsikombakomba amin’ny mpankafy, fanehoana ny fitohizan’ny mozika ary fiainana ireo tamberina sy tsiahy nentin’ireo hira nalahatra. Hira manodidina ny 40 teo no nentina nanehoan’i Poopy indray ilay «Tena kanto».

Zo ny Aina

Partager sur: