Elaela tsy hita sy re i Stéphanie… Fa mbola ao anatin’ny lazany kosa izy, raha notarafina tamin’ny fiakarany an-tsehatra nandritra ny fampisehoana izay nanasan’i Poopy azy, ny alahady teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. « Safidy mihitsy ny niato kely nandritra ny fotoana elaela, sady naka aina no naka bahana, izay tena ilain’ny mpanakanto », hoy ny nambaran’ny mpikarakara ny tarika Stéphanie nandritra izany.
Naka bahana satria efa ao anatin’ny fanomanana ny fiverenana i Stéphanie, ary nanokatra azy iny tamin’ny alahady iny. Hanaraka izay ny famoahana ny hira vaovao, sady hisesy izany. Ny “Tsy afa-po” ny voalohany, hiram-pitiavana milamindamina amin’ilay ahafantarana an’i Stéphanie. Hira hitondra ny taom-pampisehoana manaraka ihany koa io, raha ny nambaran’ny mpikarakara ny tarika hatrany. Ankoatra ny famoahana hira, efa maromaro ihany koa ny datin’ny fampisehoana hatrehin’i Stéphanie sy ny tariny, manerana ny Nosy.
Raha hiverenana kely ny seho tamin’ny alahady, nahatsapana ilay maha matihanina an’i Stéphanie izany. Tsara ny safidin’ny hira, matoa nangatahan’ny mpijery naverina fanindroany ny “Tolona”. Nankafizin’ny mpijery ihany koa ny fampiaraham-peon’izy sy i Poopy tao anatin’ilay hira “Tena namana”.
Zo ny Aina




