“Raharaha Omda”: “Avelao handeha ny fanavaozana”, hoy ireo ivelan’ny sendika

Tantara mitohy. Nahatsiaro tohina ka naneho hevitra koa ireo mpanakanto mpikambana ao amin’ny Omda, saingy tsy miara-dia amin-dry Rossy. Samy ny ivoahan’ny volan’ny zon’ny mpamorona malaky ihany anefa ny tanjon’ny roa tonta…

Mitohy hatrany ny fa­nehoan-kevitra. An­jaran’ireo mpanakanto tsy mitovy hevitra amin’ireo mpitarika ny sendikan’ ny kanto indray no nampiantso mpanao gazety omaly, tetsy Andraharo. “Hiara­han­tsika mahalala satria manakoako kanefa mahamenatra ny zava-misy. Ny kanto dia avy amin’ilay Mpahary kanefa dia lasa misy ny fifandrangitana any ambadika any. Mba mahay an’izany koa izahay, saingy tsy ilaina izany izao. Ny zava-misy dia efa lany fe-potoam-piasana tamin’ny volana novambra izahay mpikambana tao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Omda. Avelao handeha ny fifidianana, satria lalana iray hahafahana mangataka amin’ ny filoham-pirenena ny fanendrena izay ho tale na dia vonjimaika aza io. Izay vao afaka hivoaka mantsy ny vola zon’ny mpamorona, izay tena ilainay amin’izao maitsoahitra izao”, hoy i Tonton Pà, ao amin’ny tarika Rebika.
Nisolo tena ireo mitovitovy fironana amin’izy ireo ry Tonton Pà, Malm, Meizah, Roberto (lehiben’ny tarika Stéphanie) ary Martial (sehatry ny sarimihetsika). Ni­raisan’ny rehetra feo ny tokony hahatontosa ny fifidianana anio. “Tokony samy misitraka ny tombontsoa rehetra fa tsy ny hafa ihany. Hiady ho an’izay ary manentana ireo mpanakanto, indrindra ireo tanora aho handray andraikitra amin’izay”, hoy i Meizah. “Misy tombontsoa ny an’ireo mpanakanto tsy manaiky ny fanavaozana ireo. Na dia artista kely araka ilay resaka aza izahay, manana zo hitaky ny anay koa”, hoy i Malm. “Ireo mpanakanto nampiaka-peo ireo ihany no nandeha tany amin’ny filoha, ka nanakana ny fanendrena ny tale vaovao tokony hisolo ny teo aloha. Fantatr’izy ireo tsara anefa fa tsy misy afaka manao sonia mamoaka ny volan’ny zon’ny mpamorona ao amin’ny Omda raha tsy misy tale. Miara-mijaly aminay mpamorona koa ireo mpiasa sasany, noho ny fitiavan-tenan’olom-bitsy”, hoy kosa i Martial.
Tsiahivina fa nanao fanambarana amin’ny maha sekretera jeneralin’ny sendikan’ny kanto azy i Rossy, ny asabotsy teo. Notsindriny mafy fa “tsy hisy sady tsy hanan-kery izay fifidianana hatao eo” anio. Mizara tanteraka aloha izany ireo mpamorona mpikambana ao amin’ny Omda. Miandry izay havoakan’ny fivoriambe anio indray, ny mpanara-baovao rehetra…

Randria.

Partager sur: