Hotanterahina eo amin’ny torapasika Nosikely Morondava, ny 8 hatramin’ny 17 aogositra 2025, ny hetsika « Ndao hangala morimoritsy ». Natao hanomezam-boninahitra ny kabeson’ny Ampanjaka Toera ary hanamafisana sy hampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fizahantany ao amin’ny faritra Menabe izy ity. Hisy ny lalao nentim-paharazana sy fanao ao an-toerana, toy ny kibara sy ny katra ary maro hafa, hanehoana sy hampitana ireo fialamboly sy ireo endrika kolontsaina nentim-paharazana ao amin’ny faritra. Ho alefa ihany koa ireo horonantsary fampahafantarana ny fomba aman-panao isan-karazany, toy ny savatsy, fitokanana trano, fanambadiana, kilalaky, ary tantara momba ny Ampanjaka Toera sy ny maro hafa.
Marihina fa tafiditra amin’ ny lanonana fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera any Menabe ity hetsika ity. Ny kabeso na karandoha an’ny Ampanjaka Toera, mpanja-kan’i Menabe, izay nentin’ny mpiara-nomem-pahefana tao Morondava, Henri Gabriel Putz, tany Frantsa, ho mariboninahitra tamin’ny ady. Ho tonga eto Madagasikara, ny volana aogositra 2025 kosa, izy io, araka ny tetiandro nolazain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Ho zava-dehibe ho an’ny faritra, araka izany, ny fankalazana, noho izy, hanambatra ny fialamboly, ny fanabeazana ary ny fifanakalozana ara-kolontsaina. Handray anjara amin’ ny hetsika ny mponina sy ny tomponandraiki-panjakana ao an-toerana.
Ninah (mpianatr’asa)




