Rano fisotro efa mahazatra ny Malagasy amin’ny ankapobeny ny kafe. Misy amin’ireo mpisehatra amin’izany no milaza fa mahita tombony manodidina ny 10 000 Ariary isan’ andro. Misy tombontsoa sy voka-dratsy anefa izy ireny.
Anisan’ny zava-pisotro tsy misaraka amin’ny Malagasy sasany ny kafe. Matetika dia ny maraina na ilay avy miasa na alohan’ny hiasa iny ny olona no misotro izany. Mahazo tombony eo amin’ny 10 000 Ariary isan’andro eo ny mpivarotra kafe iray, araka ny fanadihadiana natao taminy, teny Analakely, izay nisafidy ny tsy ho tononina anarana noho ny antony manokana. Nambarany, tamin’izany, fa mifoha vao maraim-be izy ireo mikarakara ny kafe hamidy eny an-tsena. «Mifoha amin’ny 3 ora na 4 ora maraina eo izahay mikarakara ny kafe hamidy. Izahay ihany no manendy ny kafe amidinay, fa tsy maka amin’
ireny épicerie ireny», hoy ity mpivarotra kafe etsy Analakely ity. 300 Ar sy 400 Ar ny vidin’ny kafe eran’ny kaopy ho an’ity tovolahy iray ity. Raha ny fanazavana nomeny, hatao amin’ny sarany ambany ny kafe tsotra sy ny tapany.

30 litatra
Mahalany kafe 30 litatra isan’andro eo ity mpivarotra ity, raha ny filazany. «Manodidina ny bidon iray sy tapany eo ny lany isan’andro rehefa mivarotra ety. Azo lazaina hoe 30 litatra eo izany no lafo», hoy hatrany ity lehilahy iray misehatra amin’ny fivarotana etsy Analakely ity. «Mandany siramamy telo kilao eo ho eo izahay rehefa mivarotra, ary ny ronono moa dia boaty iray, amin’ny siny iray», raha ny fanazavany hatrany. Ankoatra izay, nampahafantariny tao anatin’ny fanadihadiana fa mahatazona hafanana mandritra ny adiny enina eo ny siny entin’izy ireo. Nisy tamin’ireo mpanjifa ity zava-pisotro ity moa nanaovana fanadihadiana mahakasika ny hitiavan’izy ireo misotro kafe. «Rehefa reraka iny aho, na makafoky ny asa andavanandro, mba misotro kafe kely, satria izy ireny indraindray no manome hery sy tanjaka ho ahy», hoy i Mirantsoa, mpianatra sady mpiasa eny Analakely. «Rehefa misotro azy itony aho toy ny hoe afaka izany ilay sorisory sy ireo tery amin’ny fiainako», hoy kosa i Nary, mpivarotra kiraro eo Analakely.
Miteraka vokany tsara sy ratsy ny kafe
Anisan’ny fahazarana fanao andavanandro ho an’ny olona maro ny fisotroana kafe, indrindra amin’ny maraina. Raha amin’ny fatra antonony ny hanaovana izany, azo lazaina ho manampy amin’ny fahasalamana sy ny asa saina izy io, saingy mety ho loza mitatao kosa rehefa tafahoatra. Amin’ny ankapobeny, misy kafeinina ny kafe, izay manampy amin’ny fampiakarana ny herin’ny vatana sy ny fifantohana. Mety hahasoa amin’ny fiatrehana asa na fianarana. Misy vokatra ara-pahasalamana tsara koa, satria manankarena «anti-oxydants”, manampy amin’ny fiarovana amin’ny aretina sasany, toy ny diabeta, aretin’ny aty, na ny “Alzheimer” sy ny “Parkinson”.
Tsy vitan’izay fa mampiakatra ihany koa ny “dopamine”, izay manatsara ny toe-po sy manampy amin’ny ady amin’ny fahakiviana io vokatra io.
Etsy ankilany, mety hanampy amin’ny fandoroana tavy sy ny fitazonana lanja ho an’izay mitandrina amin’ny fanjifana sakafo, ny kafe.
Na izany aza, mety hampidi-doza ny fisotroana azy ity be loatra. Miteraka tsy fahitan-tory, fientanentanana tafahoatra, fanina, ary fikorontanan’ny fitempon’ny fo. Misy koa ireo mahatsapa fivalanana na fandoavana rehefa misotro be loatra. Ankoatra izany, mety hampiakatra tosidra amin’ny olona efa marefo.
Tsy tokony hisotro mihoatra ny telo kaopy isan’andro ny olona salama, ary iray kaopy monja ho an’ny bevohoka. Tsy azo atao ny misotro kafe amin’ny hariva, fa mety hanelingelina ny torimaso.
Nanatontosa : Fitia Randria




