Nandray fepetra hiarovana ny ain’ny mpianatra madinika ny Cisco Antananarivo Renivohitra sy ny minisitera mpiahy ny fanabeazana. Tokony hanara-baovao hatrany ny ray aman-dreny.
Nampahafantatra ny Cisco Antananarivo Renivohitra, omaly, fa miato ny fampianarana eto Antananarivo Renivohitra ho an’ny akany fibeazana sy ny sekoly ambaratonga fototra rehetra. Na miankina amin’ny fanjakana na ny miahy tena, tafiditra ao avokoa ho fiarovana ny ain’ny kilonga madinika. Mandritra ny hateloana ny fitsaharana ka ny alakamisy indray izany vao hiverina an-dakilasy izy ireo. Misy ireo sekoly nandray fanapahan-kevitra namerina ny mpianatra nody tany an-trano avy hatrany omaly. Tsy niandry ity toromarika avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ity izy ireo. Nanamafy kosa ny minisitera fa mitohy hatrany ny fampianarana ho an’ny ambaratonga faharoa sy fahatelo (kolejy sy lyée). Mijanona avy hatrany kosa ny fampianarana amin’ireo toerana atahorana hitrangan-doza. Voakasika avokoa ny sekoly rehetra. Miankina amin’ny fivoaran’ny toetr’andro ny fiovan’ny fandraisana fanapahan-kevitra.
Efa nalefa nody ny mpianatra
Ho an’ny sekoly tsy miankina manokana, nametraka ny comité local de gestion des catastrophes ny isan-tsekoly. Izy ireo no mandray ny fepetra mifanaraka amin’ny zava-misy ao aminy hiarovana ny mpianatra. Mitohy ihany ny fampianarana ho an’ireo eny amin’ny toerana avo. Naato kosa ho an’ireo faritra iva voatery mandeha tetezana ny lalana mandeha any an-dakilasy. Tsy atao fepetra iraisana toy ny tamin’ny fitantanana ny valanaretina Covid-19 no itondrana ny vokatry ny andro ratsy. Miankina amin’ny zava-misy eny an-toerana. Betsaka ny faritra iva tondraka raha vao mirotsaka betsaka sy maharitra ny orana eto an-dRenivohitra ary tsy misinda ny rano raha tsy andro maromaro aty aoriana.
Vonjy