Andro aman’alina ny fiavian’ny orana tao anatin’ny andro maromaro izao teto Antananarivo. Tsikaritra ho miha miakatra ny reniranon’Ikopa. Nanamarina izany indrindra ny Apipa miandraikitra ny lemak’Antananarivo. Tsy mbola misy anefa ny filazana loza fa voafehy tanteraka ny fikorianan’ny rano raha ny fanazavana.
Omaly alatsinainy maraina, 1,69m ny haavon’i Sisaony eo amin’ny mari-drefin’Ampitatafika. Niakatra 0,54m ny rano tao anatin’ny 24 ora ary mbola hiakatra izany anatin’ny 12 ora manaraka noho ny rotsak’orana matetika. 2,50m kosa ny refy filazana miloko mavo.
Ho an’ny reniranon’Ikopa, mirefy 2,59 ny haavon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’Ambohimanambola. Niakatra 0,05m ny rano tao anatin’ny 24 ora ary mbola hiakatra izany ao anatin’ny 12 ora manaraka. 3,50m ny refy filazana loza manambana eo Ambohimanambola. Raha eo amin’ny mari-drefin’Anosizato indray dia mbola 1,15m ny haavon’ Ikopa, 3m ny filazana loza manambana. Eo Bevomanga, mirefy 3,04 ny haavon’Ikopa. 4m ny refy filazana loza manambana.
Ny reniranon’Imamba indray dia 1,24m ny haavony eo amin’ny mari-drefin’Ambohidroa. Niakatra 0,24m ny rano tao anatin’ny 24 ora.
Tatiana A