Mbola hitohy ao anatin’ny hateloana ny rotsak’orana miatoato sy ny andro manjombona eto Analamanga mandritra ny hateloana. Any amin’ny faritra Melaky ny sisan-drahona nentin’ilay rivodoza Cheneso mitarika ny rotsak’orana saika manerana ny Nosy ankoatra ny any Atsimo Andrefana, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mitoetra noho izany ny filazana fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsak’orana amin’ny faritra Sofia, Boeny, eto afovoan-tany, Atsimo Atsinanana ka mety hiteraka fiakaran’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany.
Ho an’ny toerana misy rotsak’orana, hidina ny maripana, mahatratra 37°C kosa izany ho an’ny faritra Atsimo Andrefana izay tena mafanabe. Nanamafy ny teknisianina fa mbola misy oram-baratra mitondra tafiotra ka tsy tokony hivoaka hiandriaka ny mpampiasa ranomasina satria ho avobe ny onja.
Mbola mihatra hatrany ny filazana loza mihatra amin’ny fiakaran’ny rano amin’ny toerana manamorona ny reniranon’i Betsiboka : Ambatoboeny, Marovoay, Madirovalo ary Marolaona. Nihena ho 2,80 m reniranon’i Betsiboka (tetezana RN4) raha niakatra ho 0,70 m ny reniranon’Ikopa ao Antafia (akaikin’i Maevatanana), omaly maraina.
Vonjy