Mahazo vola noho ny tompony, hono, ry zareo mpamerina? Tsy vitsy aza ny mivelona amin’izany… Tranga tsy vao izao sady efa fahita maneran-tany. Na izany aza, tsy tokony hasiam-panovana izy ireny. Tazonina ny tonony, ny feony, ny fandrindrana, sns. Tsy hitovy tanteraka tamin’ny namoronana azy hatrany am-boalohany fa tsy tokony hahenoina fiovana be.
Matetika, anefa, tsy tahaka izay no mitranga. Mifanalavitra be ny feo. Feo sahaza ny kalon’ ny fahiny, manjary feo natokana ho an’ny RNB, sns. Ny fandrindrana, miova tanteraka, satria, maro ny zavamaneno azo ampiasaina amin’izao vanim-potoana izao. Ampahany ihany ireo.
Anisan’ny lesoka lehibe nahatonga ny tranga tahaka izany ny tsy fisian’ny tahiry eo amin’ny Malagasy.
Marihina fa manana hasina lehibe ny hira ho an’ny Malagasy. Tsy fahafinaretan’ny sofina fotsiny ny azy fa fanabeazana sy fitaizana. Anatra sy fahaiza-miaina… Noho izany, misy ampahany rava amin’ireny raha ahenoina fiovana lehibe ataon’ireo mamerina. Antony iray tsy mampateza ny hira ankehitriny io tsy fahitana ny fisongadinan’ny aingam-panahy miteraka ny hasina goavana be io. Eo ihany koa ny fiheverana fa ny fampiasana ny hairaha ankehitriny no tena zava-dehibe amin’ny hira. « Na piano iray aza no ampiasainao, rehefa eo ny aingam-panahy, voatandrina ny soatoavina. Omen-kaja ny mpihaino… Mamoaka ny kanto hatrany ianao », hoy i R. Lala, mpampianatra mozika.
HaRy Razafindrakoto




