TARATRY ny KANTO

« Improludik », atrikasa hianarana ireo fihe­tsika tsy ampoizina amin’ny teatra. Hatao ny sabotsy 9 aogositra izao izy ity, etsy amin’ny IFM Analakely, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Natao ho an’ireo tanora liana sy te hiroso lalindalina kokoa amin’ny
teatra izany. Manana ny toerany manokana eo amin’ny teatra ny « improvisation » izay hozarain’ny Cie Mian­galy Théâtre ho an’ireo mpiofana. Ny finiavana sy ny fitiavana ihany no andrasana amin’izy ireo.

Revy Dadah R’Abel, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Ny zoma 8 aogositra izao no hanatontosana ity fiarahana ity, izay ahitana ireo niara-
dalana tamin’i Dadah fahavelony. Anisan’ireny i Eric Rason, Nary ary Inah. Ito farany izay nahavita rakikira roa niaraka tamin’i Dadah. Eo ihany koa i Tolotra, izay anisan’ny mpandimby amin’izao fotoana.

Andrasana any Rosia ireo solontena mala­gasy amin’ny « Our Generation ». Efa vonona i Michella, ary anisan’ireo tsara toerana indrindra, noho i Filamatra Maroka nibata ny amboara, tamin’ny taon-dasa. Hanaraka an’i Michella, hifanotrona aminy i Branda sy Riantsoa, miaraka amin’i Coach Fidy. Ny mozika mala­gasy no fototra entin’izy ireo mandresy lahatra man­dritra izany.

Partager sur: