Fambolena ala FJKM 2023: zanakazo 10.000 fototra ho an’ny tany mirefy 5 ha

Nanatanteraka fambolen-kazo ny foibe FJKM ny asabotsy teo. Notanterahina teny Andanona Manjakandriana ny fanokafana izany taom-pambolen-kazo izany. Taona faharoa ity 2023 ity nanaovana izao asa izao.
Zanakazo 10.000 fototra no novolena tamin’ny tany 5 ha. Ny MFEE-FJKM no niandraikitra ny lafiny teknika sy niantoka ireo zanakazo. Na­hitana karazan-kazo telo samy hafa ny nambolena tamin’izany.
Nitarika ny fambolen-ka­zo ny filohan’ny FJKM, Dr Andriamahazosoa Irako Ammi Mpitandrina. Nisy ny fanompoam-pivavahana nialoha ny asa izay notarihin’ny tonian’ny departemantan’ny fiangonana. Ny sekretera je­neralin ‘ny FJKM kosa no nitondra ny hafatry ny mofon’aina.
Tonga teny an-toerana ireo tonia sy tale tompon’andraikitra samihafa eo anivon’ ny foibe FJKM, solontenan’ireo sampana, sampanasa ary asa eo anivon’ny foibe FJKM. Tsy vitsy koa ireo solontenan ‘ny synodam-paritany sy ny fitandremana tonga teny an-toerana.

Tatiana A

Partager sur: