May ny tsenan’ny Coum: Amina miliara ny tombam-bidin’ny entana levona

May kilan’ny afo tanteraka ny trano nisy rihana iray nahitana tsena fivarotana miisa enina, fivarotana rafia etsy amin’ny Coum 67 Ha Avaratra Andrefana, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany. “Mahatratra amina miliara maro ny fatiantoka rehetra tamin’io famaizana io”, hoy Razafindrasata Andry Tafita, anisan’ny tompon’ny tsena may. Niainga tao amin’ny tranohazo mitafo fanitso ny afo ary niitatra tany amin’ny varavarakelin’ny trano ambony rihana mifanila taminy, raha ny fanazavana. Niitatra haingana izany satria nivarotra rofia avokoa ireo tsena ambany rehetra. Ankoatra ny entana hamidy, may tao amin’ny efitra iray, rihana ambony avokoa ny kojakoja an-tokantrano, toy ny fandriana, ny seza, ny armoara sy ny antontan-taratasy isan-karazany. Entana tao ambany rihana ihany no avotra.
“Nisy ankizikely nilalao tao anelakelan-trano talohan’io tranga io ary izy ireo no nahita ny tranga voalohany”, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tonga teny an-toerana namono ny afo ny Vondrona mpamonjy voina, voafehy ny afo tamin’ny 2 ora atoandro tany ho any. Tonga nanapaka ny jiro teny an-toerana ny avy amin’ny Jirama. Nifehy ny filaminana kosa ny polisim-pirenena CSP 7. Efa may io toerana io tamin’ny herintaona tahaka izao. Court-circuit ny antony nahatonga ny afo ta­min’izany. Vao nikasa ny hanamboatra io trano hazo mitafo fanitso niangan’ny afo io ny mpiraharalahy tompon’ny trano nefa izao may izao indray.

Mino

Partager sur: