TARATRY ny KANTO

«Cabaret Soatoavina Malagasy», iarahana amin’i Mbola Talenta sy Ralanto. Anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, eny amin’ny Restaurant Chez Babà Isoraka. Mazava loatra fa hanjaka ny tendry gitara gasigasy sy ny vokatry ny tany mandritra ny fiarahana. Hihodidina ireo hiran’ny omaly, mandalo ireo sanganasan’izy mirahalahy, ka hatrany amin’ny hiran’ireo tarika misy azy avy izany.

Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, ny fanamboarana sy fanajariana ny zomba, hanitrihana ny Kabeson’ny Ampanjaka Toera, any Menabe. Mila vonona amin’ny fotoana hanatanterahana ny fotoan-dehibe, izay hanaovana ny fomba ara-drazana, izany. Horaisina miaraka amin’ny kabeson’ireo miaramila roa, mpitari-tafika niaraka tamin’ny Ampanjaka Toera, izany.

Niavaka ny «carnaval» nanokafana ny «Festival Somaroho», ny alarobia teo. Loko maro marevaka, karazana fitafy sy taovolo, dihy mirindra sy mozika, hakingana, sns, no nasehon’ireo tanoran’i Nosy Be namakivaky ny tanàna ka nihazo ny Kianjan’Ambodivoanio. Mampiavaka an’i Nosy Be hatramin’izay izy ity, ary nifandovana sy hifaninanana mihitsy. Efa nanomboka omaly ihany koa ny andiam-pampisehoana, izay tsy hifarana raha tsy ny alahady izao.

Partager sur: