Finoana – Kolontsaina – Tantara…: Manana ny lanjany ny FJKM Ambohimamory

Ambohimamory, vohitra iray tsy afa-misaraka amin’ny tantara nisy teto Imerina. Niara-dalana tamin’izany iha­ny koa ny fiorenan’ny fiangonana FJKM Ambohima­mory Malala Orimbato tany amin’ny taona 1869. Tantara roa lehibe mifanindran-dalana hatrany ka mahatonga ny taranak’ity fiangonana ity haneho fa manana ny lanjany eo amin’ny tontolon’ny finoana, kolontsaina, zavakanto, sns, io fiangonana eny an-toerana io.
Rahampitso 10 aogositra, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina. Hanatan­teraka ny fetin’ny taranaka, fianakaviana ankohonana ary ireo sakaiza tsy mahafoy ry zareo. Hisy ny fijoroana vavolombelona eny amin’ny alitara, mba tsy hahavery ny tantara sy hitohizan’izany. Hisy ny fandrehetana fanilo na jiro hiampita isan-taranaka, fianakaviana ary ankohonana, hanomezana lanja ny finoana. Hisy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy fiarahana misakafo. Ho tazana hanafana ny fotoana ny antoko mpihira mitambatra eny an-toerana.
… Vohitra Ambohimamory, ahitana ny FJKM Ambohima­mory Malala Orimbato. Tsy manadino ny tantara sy kolontsaina malagasy. Ny hariva hihazo ny alin’ny 14 aogositra. Hisy ny fandrehetana ny fanilo sy fitondrana izany manerana ny vohitra. Fotoana hanatanterahina ny tsimandrimandry. Ny 15 aogositra, eo amin’ny Kianjan’Ambo­hima­mory, lanonana lehibe miaraka amin’ny seho sehatra samy hafa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: