Asief 2025 – Filoha Jhone Love : Miantso fifandeferana sy fifanajana

Na misy aza ny olana, miezaka mitady vahaolana hatrany ny mpitantana. Efa miditra amin’ny dingana famaranana avokoa ny fifaninanana nasionaly Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), eo amin’ny taranja iraisana, androany sy rahampitso alahady, any Mahajanga. Manoloana izany, nanao antso avo ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love) mba hampanjakana ny fifandeferana sy ny fifanajana eo amin’ny mpifaninana. Lalao, hoy izy, no atao ary samy hiverina any amin’ny toerana hiasany avokoa rehefa tapitra ny fifaninanana, ka tsy tokony hisy ny ady eo amin’ny samy mpifanandrina. Firaisankina sy fifankatiavana eo amin’ny mpiasam-panjakana rahateo no tanjona amin’ity fifaninanana ity, araka ny efa napetraka hatrany am-piandohana.
Raha ny fandaharam-potoana, hanomboka hiditra an-tsehatra amin’ny faran’ity herinandro ity ireo taranja hiady, toy ny boxe anglaise sy ny kick-boxing ary ny karate. Torak’izany koa ny taranja lomano sy ny hazakazaka am-bisikileta izay efa manomboka anio sabotsy. Ny taranja dihy ara-panatanjahantena sy ny “belote” kosa no hanomboka amin’ny herinandro hoavy, raha ny fandaharam-potoana hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: