« Samy tia » : Tsy mifankafoy i Tovo J’Hay sy ny mpijery

Ny zavakanto tsara indrindra avy any aminy no natolotr’i Tovo J’Hay ho an’ny mpijery tonga maro tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina, omaly tolakandro. « Samy tia », seho nahitana fa tsy mifankafoy ny roa tonta. Tahaka ny tantara narindra rahateo no nandaharana ny hira sy ny nanoloran’i Tovo J’Hay azy ireny teny an-tsehatra, hany ka niverina ny tsiahin’ny tany amin’ny 25 taona lasa. Tadidin’ny mpijery avokoa !
Naredona ny « Mbola hafa », « Satry foana », « Teny mamy », « Tsy misy toa anao », « Andao mba hiaraka », « Te ho any aminao »… Nanampy betsaka tamin’ny famoahana ny seho sehatra ihany koa ny fisian’ny mpandihy nandravaka ireo hira somary mihetsika. Fampisehoana, nahitana fa somary nanatombo kokoa ny tanora tonga nijery raha oharina amin’ny sokajin-taona hafa. Nahenoina ihany koa fa tsy afaka ao am-pon’izy ireo ny hiran’ity mpanakanto manana ny maha izy azy ity. Nandritra ito fampisehoana ito no nanolorana azy ny mari-boninahitry ny kanto « Commandeur de l’ordre des arts et des lettres et de la culture ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: