« Ndao hifankatia » ! Lohatenin’ny fampisehoana notontosain’ny tarika Rebika tao Antsahamanitra, omaly tolakandro. Nanaraka izay tokoa ny zava-nisy. Nifankatia fatratra, nampifamatoran’ny hira ny samy mpijery, ny mpijery sy ny tarika Rebika ary ireo mandrafitra ny tarika teny an-tsehatra. Niverenana ny tany amin’ny 30 taona lasa. Niaraka nohiraina ny sanganasan’ny tarika sy nampalaza azy. Ny ankamaroan’ny hiran’ny tarika tarahateo, miompana amin’ny tontolon’ny fitiavana. Vao mainka nihamafy ny « Ndao hifankatia ». Tazana teny an-tsehatra ry Odéam, i Andry avy ao amin’ny tarika Toko Telo. Tao ihany koa i Nix sy ny feomangany… Nanakoako ny « Miredareda », « Ento aho », « Lahatra », « Mbola tsy mora »…
Tsikaritra teny an-toerana fa anisan’ny mahatana tsara ny fifamatorany akaiky amin’ny mpitia ny sanganasany ny tarika Rebika. Niteraka tambolona sy tadidy ary tsiahy ho azy ireo ny hira rehetra niala avy eny an-tsehatra. Voatazon’ny tarika Rebika tsara rahateo na ny feo na ny fitendrena zavamaneno na ny fandrindrana nahafantarana ny hira tsirairay.
… Mbola voaporofo teny Antsahamanitra, omaly, fa ny kanto tsy mba lefin’ny vanim-potoana. Ireo zokinjokiny, sady mihira no mifamihina. Ny zandry taty aoriana, mihira mafy manatraka ny eny an-tsehatra.
HaRy Razafindrakoto




