Mitohy hatrany ny « Manala azy ». Tontosa ny sabotsy teo ny « Manala azy tanora zokiny », nentin’ny Olombelo Ricky sy ny tariny. Nihaonan’ireo mpankafy efa nanadritra ny taona maro indray ny tetsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina nandritra izany. Vantany vao vita dia efa fantatra indray ny fotoana manaraka : ny 6 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Presto Garden Ambodivona. « Taratra hazavana mozika » kosa indray ny lohahevitra hampisalorana ny fiarahana amin’io.
Niaina ny « Festival Sakaleona » ihany koa i Nosy Varika, ny faran’ny herinandro teo. Hetsika ara-kolontsaina, natao hampahafantarana ny faritra sy ny distrika, amin’ny sehatra maro izy ity. Ankoatra ny fanehoana ireo zavakanto sy kolontsaina mampiavaka manokana ny any an-toerana, nandray ireo mpanakanto malaza, toa an-dry zareo mpanao Kaiamba, Jaojoby, Dah-Mama, sns, ihany koa i Nosy Varika nandritra ny 3 andro.
Hihazo an’i Changwon, any Corée, ny tropy Illusion. Izy ireo no nandresy tamin’ny fifaninanana « K-Pop World Festival » teto amintsika, tao amin’ny sokajy lehilahy. Hatao ny volana oktobra eo ity fifaninanan-dihy iraisam-pirenena, izay handraisana solontenan’ny firenena maro anjara, ity. Handray an-tanana azy ireo ny maosivohon’i Corée eto Madagasikara, izay nandray anjara be tamin’ny fifaninanana ihany koa. Tetikasan’ny fanjakana koreanina mba hankalazana ny kolontsaina K-Pop mihitsy izy ity.




