Kolontsaina any Amoron’i Mania : Homarihina ny faha-30 taonan’ny « Volambetohaka »

Niato an-taonany maro. Hiverina kosa amin’ity taona ity ny « Volambetohaka », hetsika ara-kolontsaina mampia­vaka an’Amoron’i Mania. Ho ambohi-pihaonana Ambositra.

«Volana» sy «To­haka». Ireo no na­tamba­tra, nanome ny hoe « Volambetohaka ». Ny voalohany manondro fo­toana ary ny faharoa kosa midika hafaliana. Araka izany, fotoam-piravoravoana ny « Volambe­to­haka », izay anisan’ireo fomba amam-panao mampiavaka ny Betsileo Tavaratra avy ao amin’ ny faritra Amoron’i Mania.
Hotontosaina ny 14 hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao ny « Volambetohaka 2025 ». Tapaka fa ao Ambositra, renivohitry ny faritra Amoron’i Mania, no handray ny hetsika amin’ity. Nivoaka tamin’ny Filankevitry ny Governemanta mihitsy izany, satria sady he­tsika ara-panjakana ny « Vo­lambetohaka » amin’ity. Efa maromaro ny dinik’asa notontosaina hatreto, hahatomombana ny fikarakarana. Taona elaela mantsy no tsy nisy ny hetsika, noho ny antony maro, fa indrindra noho ireny valanaretina ireny. Hiverina kosa saingy amin’ny endriny vaovao izany, raha ny nampanantenain’ireo mpikarakara.

“Dia tafagna ny fihava­nana, tsinjovina ny agny aloha, herehina ny agny araka”, hoy ny lohahevitra voizina amin’ ity. Maneho ny fihavanana, ny firaisankina, ny fitohizana, ny fampitana fanilo izany. Ha­nomboka ny hetsika ny « diaben’ny kolontsaina », ny zoma 15 aogositra. Aorian’ny kabary mahazatra, ny « sorogna » isaky ny distrika, fitsidihana ny tranoheva, velatsihy, famo­rana zazalahy, tologna, tevika zazavavy ary ny fampisehoana ara-javakanto isan-karazany. Ny sabotsy kosa ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny kolontsaina sy ny asa tanana ary ny fizahantany, ny savika, ao amin’ny Kianjan’ny savika Rovan’Ambositra Tompon’ Agna­rana, ny fanehoana ka­bary, ny fampisehoana ara-javakanto. Kabary famaranana kosa ny alahady, arahina ka­bary sy firariantsoa ireo vahiny.

Nanomoka ny taona 1995

Raha tsiahivina ny tantara, ny taona 1995 no nanomboka ny hetsika «Volambetohaka », ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Tsy fety fotsiny fa fian­tsoana sy fanamafisana ny fihavanana, ny fitampitohizan’ ny taranaka ary ny fanandratana ny maha Malagasy, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Nialoha izay anefa, ny taona 1981, izay fotoana namindrana sy nametrahana ny razan’ireo mpanjaka fahizay teny amin’ ny Rovan’Ambositra sy na­naovana ny fanajana mba ho mendrika ny tantarany, no niandohan’ny « Volambeto­haka ». Ny Dokotera Razafi­na­rivo Rainy no anisan’ny ni­tarika izany, nampian’ireo Rai­amandrenin’ny tanàna. Isaky ny roa taona ny nanaovana ny « Volambetohaka », ka mifandimby mandray izany ireo distrika ao anatin’ny faritra Amo­ron’i Mania, ahitana an’Ambo­sitra, Fandriana, Ambatofi­nan­drahana ary i Manan­driana.

Zo ny Aina

Partager sur: