5 taona no tsy nisy ny hetsika. Avy hatrany dia fahombiazana noho ny taloha kosa ny fiverenany, raha notarafina tamin’ny 3 andro an-danonana sy fialamboly teto Mahajanga.
Fahombiazana raha tarafina amin’ny isan’ny mpanatrika. Rakotra olona manomboka eo amin’ny sehatra lehibe manoloana ny Chambre de commerce, hatreny amin’ny baobab lehibe, manamarika ny Bord eto Mahajanga. Raha atao tombana malalaka, any amin’ny 25 000 hatramin’ny 35 000 any isaky ny hariva ireo tonga nialavoly teto amin’ity toerana ity, nanomboka ny zoma teo ka hatramin’ny alin’ny omaly alahady. Vao nanomboka ny fanentanana ny zoma, efa narisika ireo mpiala voly, na tompon-tany izany na ireo mpiala sasatra nisafidy an’i Mahajanga. Nitombo hatrany ny isa, satria nisy mpanakanto teo amin’ny sehatra goavana nanomboka ny sabotsy. Nahitam-pivoarana be ny seho an-tsehatr’i Ckicky, izay efa voarain’i Mahajanga ho anisan’ireo mpanakanto malaza. Niaraha-nihira ireo hirany malaza toa ny «Shakina» sy ny «Menimeninao». Tsy Mahajanga irery, satria efa feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra ny taona. « Efa mpiaraka amin’ny Star foana izany, tany Antsirabe, Antananarivo, Foulpointe, sns. “Aorian’ny eto Mahajanga, hihazo an’i Mayotte hanao seho vitsivitsy ny tarika manontolo. Manam-pikasana ny hamita ny rakikira voalohany amin’izao koa aho », hoy ny nambaran’i Ckicky, taorian’ny fandraisany anjara.
Anisan’ireo niverina niaraka tamin’ny « Star Tour » teto Mahajanga ihany koa i Black Nadia. Noporofoiny indray fa mipetraka ireo hirany, na dia teo aza ny tsy fahasalamana tanteraka, tsy nahafahany tena nihetsika firy. Tontosany ihany ny seho nandritra ny ora roa, ary nisinda aza ny harerahana rehefa niara-tafiditra tamin’i Black Nadia ireo mpankafy azy. Tsy nidina intsony iny hafanana iny na niala ny sehatra aza ny tarika, ka avy hatrany dia notohizan’i Dj Eloi, mpikosoka kapila fanta-daza eto Mahajanga, tamin’ny fampandihizana mandra-naraina.
Avy hatrany dia ireo hirany mafana no nalahatr’i Ceasar, tamin’ny andro fahatelo sady farany, omaly. Anisan’ireny ny « Navadibadiko » sy ny « Aza manahy », izay hain’ny mpijery rehetra. Aloha be rahateo dia efa rakotra mpijery ny toerana, noho ny fisian’ny fanentanana sy lalao isan-karazany nentanin-dry Barhone sy ry Fou Hehy. Maro rahateo ireo olona tsara vintana nahazo loka tamin’ireo lalao natao.
Zo ny Aina




